Mila mpandika teny ve ianao?

Asa voakajy sy tsara kalitao no ho raisinao rehefa miara-miasa amin’ny Lingua Mada. Ary tànanay anaty tsiambaratelo avokoa ny angon-drakitra ifanakalozantsika.

Ireo tolotra misy ato aminay

Voici les services que nous proposons en tant qu’agence de traduction professionnelle :

Fandikan-teny an-tsoratra

Asa fandikan-teny an-tsoratra amin’ny teny Frantsay, Anglisy sy Shikomori ary Malagasy hatreto no tena iantsorohanay.
Ekipa-na mpandika teny matihanina sy za-draharaha no hisahana izay asa tianao ampanaovina anay.

MTPE

Amin’izao firoboroboan’ny hairaha ara-kajimirindra izao dia zava-dehibe aminay mpandika teny ny fanomezan-danja ny fanitsiana sy fanatsarana ny zotram-pandikana teny mandeha hoazy na “post-editing of machine translation output“.

Transcription

Ny fandraiketana an-tsoratra izay voalaza anaty raki-peo na sarimihetsika iray dia isan’ireo asa ataon’ny LINGUA MADA . Anananay traikefa ny amin’izany, na io amin’ny teny Frantsay mahazatra, na Malagasy na Anglisy.

Fanitsiana & fanatsarana lahatsoratra

Zava-dehibe aminay ato amin’ny LINGUA MADA ny fanajana ny tsipelina sy ireo fitsipika mifehy ny rafitry ny teny. Izany no atao mba ho lahatsoratra tsara kalitao sy mirindra tsara no hitan’ny mpamaky tsy an-kanavaka.

Feo indrana

Ho anao mila mpitao asa mahafehy ny Feo Indrana na Voix-Off (na koa Voice-Over), azonao atao ny miantso anay fa ho afa-po ianao : doka, podcasts, webinaire, horonantsary, fanadihadiana (documentaire), sns.

Fandikan-teny am-bava

Isan’ireo mandrafitra ny ekipan’ny orinasa kely LINGUA MADA ny Mpandika Teny am-bava. Maro ny asa mifandraika amin’ny dika teny azonay anampiana anao, toy ny ady varotra, fidinana an-kianja, fiofanana na fampiofanana, sy ny maro hafa.