lingua mada

Orinasa Mpandika teny Azo Antoka

Ekipa matihanina sy manana traikefa an-taonany maro no mandray anao !

Ho an’ny olon-tsotra

Manana taratasy mila dika teny mazava sy ara-dalàna ve ianao, na koa failo ilàna dika teny mitovy amin’ilay voalohany ?
Aza misalasala àry manatona anay fa ho afa-po ianao.

Ho an’ny orinasa

Afaka mandrindra ny asa fandikan-teny ilain’ny orinasanao izahay ato amin’ny Lingua Mada, na inona na inona singa tianao anehoana izany, ary amin’ny tenim-pirenena safidinao.

Tianao atao amin’ny tenim-pirenena maro ve ny Tranokala fivarotana izay tantaninao ?

Antsipiriany momba ny entana

Doka

Petadrindrina sy ny maro hafa …

Mba hanatratraranao ny tanjona ara-barotra napetrakao,

ny orinasa LINGUA MADA dia manampy anao amin’ny fampivoarana ny fandraharahana sahaninao amin’ny alalan’ny ASA FANDIKAN-TENY MATIHANINA fanaonay.

Mila mpandika teny ve ianao?

Asa voakajy sy tsara kalitao no ho raisinao rehefa miara-miasa amin’ny Lingua Mada. Ary tànanay anaty tsiambaratelo avokoa ny angon-drakitra ifanakalozantsika.

Ireo tolotra misy ato aminay

Voici les services que nous proposons en tant qu’agence de traduction professionnelle :

Fandikan-teny an-tsoratra

Asa fandikan-teny an-tsoratra amin’ny teny Frantsay sy Anglisy ary Malagasy hatreto no tena iantsorohanay.
Ekipa-na mpandika teny matihanina sy za-draharaha no hisahana izay asa tianao ampanaovina anay.

MTPE

Amin’izao firoboroboan’ny hairaha ara-kajimirindra izao dia zava-dehibe aminay mpandika teny ny fanomezan-danja ny fanitsiana sy fanatsarana ny zotram-pandikana teny mandeha hoazy na “post-editing of machine translation output”.

Transcription

Ny fandraiketana an-tsoratra izay voalaza anaty raki-peo na sarimihetsika iray dia isan’ireo asa ataon’ny LINGUA MADA . Anananay traikefa ny amin’izany, na io amin’ny teny Frantsay mahazatra, na Malagasy na Anglisy.

Fanitsiana & fanatsarana lahatsoratra

Zava-dehibe aminay ato amin’ny LINGUA MADA ny fanajana ny tsipelina sy ireo fitsipika mifehy ny rafitry ny teny. Izany no atao mba ho lahatsoratra tsara kalitao sy mirindra tsara no hitan’ny mpamaky tsy an-kanavaka.

Feo indrana

Ho anao mila mpitao asa mahafehy ny Feo Indrana na Voix-Off (na koa Voice-Over), azonao atao ny miantso anay fa ho afa-po ianao : doka, podcasts, webinaire, horonantsary, fanadihadiana (documentaire), sns.

Fandikan-teny am-bava

Isan’ireo mandrafitra ny ekipan’ny orinasa kely LINGUA MADA ny Mpandika Teny am-bava. Maro ny asa mifandraika amin’ny dika teny azonay anampiana anao, toy ny ady varotra, fidinana an-kianja, fiofanana na fampiofanana, sy ny maro hafa.

Ireo asa ataonay

Fandikan-teny ara-barotra

Tranokala sy rindrambaiko

Fandikan-teny ara-teknika

Antontan-taratasy ara-panjakana

Tombana ara-kalitao

Ireo sehatrasa voafehinay

 I.T (Teknolojian’ny Fampitam-baovao)

Varotra an’habaka

Banky

Lamaody

Fizahantany & Fitsangatsanganana

O.N.Gs

Ireo Teny Iasanay

Services

ANGLISY <=> FRANTSAY

Teny Frantsay : Maherin’ny 274 tapitrisa ny olona mampiasa sy miteny Frantsay maneran-tany (ka 80 tapitrisa eo no Frantsay teratany).
Izy no teny faha-efatra be mpampiasa indrindra any Etazonia, faharoa kosa raha aty Afrika, aorian’ny teny Anglisy.

ANGLISY <=> MALAGASY

Teny Anglisy : Raha ny antontanisa nivoaka vao tsy ela no resahina dia mitotaly eo amin’ny 1,7 lavitrisa eo ny isan’ny olona mampiasa sy miteny Anglisy manerantany, ka 400 tapitrisa eo no teratany.
Maro mpampiasa tokoa ny teny Anglisy ka voasokajy ho «lingua franca», io no teny fampiasa amin’ny fandraharahana manerana izao tontolo izao.

MALAGASY <=>FRANTSAY

Teny Malagasy : Ny mponina manerana ny nosy, izay miisa 24 tapitrisa hatreto, dia miteny sy mampiasa ny teny Malagasy avokoa.
Manana anjara toerana lehibe eo amin’ny tontolo ara-ekonomika eto an-toerana, miaraka amin’ny teny Frantsay, ny teny Malagasy.

MAIMAIMPOANA NY FANGATAHANA ‘DEVIS’ ATO AMINAY

Mpandika teny azo atokisana sy matihanina

Ho anao manana antontan-taratasy mila dika teny azo antoka, aza misalasala manatona sy mandefa mailaka ety aminay.